<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Lehibe sy mahagaga
 Ny fitiavanao
 Ny fonay ravoravo
 Te hidera anao, ry Ray
 Izao fotoana anio izao
 Hatreo ka mba tahio
 Ny vavaka ataonay,
 Ry Tompo, mba valio

[V2]
 Maro be ny olona
 'Zay lavitra Anao
 Voafatotr'i Satana ka
 Sondrian-tory ao
 'Reo namanay 'zay ory koa
 Todiho sy jereo
 Mitenena Ianao mba
 Ho afaka ireo

[V3]
 Tompo ô ! ombay ny
 Fanahinao 'zahay
 Hahatontosa ireo adidy
 Eo antsorokay
 He fantatrao fa mbola
 Votsa sy malemy koa
 Ny Sandrinao iankinanay
 Herinay tokoa.</lyrics>
<title>RAY MAHERY ASAFA11</title>
<hymn_number>11</hymn_number>
<author>Landy RABENIRAINY</author>
</song>